Tampoka teo, potika sy rava tanteraka Antananarivo, tsy nisy fampilazana, levona sy rotika Madagasikara, ny Tany koa toa izay no nataony. Dia misy tovovavy kely iray olioly volo - Lisy no anarany - mitsofoka tampoka ao an'efitra fandrian-dRabe, indray alina, hoe hanavotra azy. Ka milaza i Lisy hoe misy Antananarivo iray hafa any, misy Madagasikara iray hafa, madio ny farihin'i Anosy any, misy teleferika, tsy tapatapaka mihitsy ny jiro, tsy mandoto tan na ny mponina, tongan'ny lamasinina any Amborovy, etsetra etsetra... Dia mila anao hanavotra azy dieny tsy tara loatra. Andeha ianao sa tsia?
ThriftBooks sells millions of used books at the lowest
everyday prices. We personally assess every book's quality and offer rare, out-of-print treasures. We
deliver the joy of reading in recyclable packaging with free standard shipping on US orders over $15.
ThriftBooks.com. Read more. Spend less.